Hiditra amin’ny andro fahadimy ny sabotsy 8 sy alahady 9 febroary izao ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja volley-ball. Ny sokajy Jeunes ihany no hanohy ny fifaninanana amin’io faran’ny herinandro io. Nofoanana kosa ny an’ny sokajy 1D sy 2D noho ny fisian’ny « match de défi » karakarain’ny federasiona.
Mitohy amin’ity faran’ny herinandro ity ary mizotra araka ny tokony ho izy ny fiadiana ny ho tompondaka eo anivon’ny seksion’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Ny sokajy U11, U14, U16, lahy sy vavy, no mifaninana etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Mifanindry an-dalana amin’izany ny N1B ka anisan’ny hifanandrina ny COSPN sy ny JCBA.
Efa akaiky tokoa ny lalao hihaonan’ny Barea de Madagascar sy i Ghana. Raha tsiahivina, hatao ny volana marsa ho avy io izany. Hatramin’izao anefa, tsy mbola fantatra raha hilalao eo Mahamasina indray ny ekipa nasionaly malagasy na tsia. Hatramin’izao, tsy mbola misy siosion-dresaka mahakasika ny fiantsoana ireo « inspecteur Caf » hijery ilay kianja.
Miteraka resabe ao anaty tambajotran-tserasera ny fifanakalozana mpilalao nisy teo amin’ny fifaninanana NBA. Nifindra ao amin’ny Dallas, i A. Davis, ary lasa solony ao amin’ny Lakers, i Doncic, mpilalaon’ny Dallas teo aloha. Samy tsy nanampo ity fifindran-toerana ity izy mirahalahy ireto, saingy samy nanaiky ny fanapahan-kevitra misy.