Teta ao amin’ny Vakok’Arts Trano. Anio, manomboka amin’ny 7 ora alina, ity fotoana ity, ao amin’ny efitrano fanaovan-danonan’ny Alliance Française Toliara. Seho an-trano raha ho an’i Teta, satria tsy manavao azy sy ny mozikany ny toerana. Efa nandrasan’ireo mpankafy any an-toerana kosa, satria efa fotoana ela no tsy nisehatra tany ity andrarezin’ny tendry gitara ity.
Tsy mijanona eo amin’ny fanilikilihana ny kolontsaina malagasy ny ampahana tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao… Mitodika any amin’ny fanimbana mihitsy. Na efa atoro sy ampianarina aza, mbola misy hatrany ny manao izay hitsin’ny lohany, satria, novolavolaina hanao izany mihitsy. Fady amin’ny Malagasy ny mitsako alohan’ny “vazana”. Ka ilay “vazana” mihitsy no tsy fantatry ny tanora intsony. Na, hodiany tsy fantatra!
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Manasoa ny hanatanteraka velakevitra momba ny kolontsaina, isam-bolana. “Misy lesoka lehibe ny fifamatoran’ny kolontsaina sy ny tanora. Mila fanarenana izany. Izay no nahatonga anay hanatanteraka azy ity. Raha tsy hisy ny fiovana, any anivon’ny sekoly no hanatontosana izany bebe kokoa”, hoy hatrany ny tomponandraikitra eo anivon’ ity fikambanana ity.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana ny mpampianatra. Hatramin’izao, anefa, mbola tontolo “tsy mahazo aina” ny fampianarana, raha tarafina amin’ny tranga iainan’ny mpampianatra sy ny mpianatra ary ny sekoly iray manontolo… Matoa mbola ao anatin’ny fahosana ny firenena, misy lesoka goavana ny fanabeazana!