Mazava izao ny resaka! Teratany vahiny ny ankamaroan’ny mpanao trafikan-tsokatra eto Madagasikara. Malaza ny teratany sinoa. Nisy roa lahy naiditra eny Tsiafahy, omaly.
Ny eo tratra, ny etsy mipoitra. Tra-tehaka teny Talatamaty, ny alahady 2 febroary teo, ny teratany sinoa miisa roa, nahatrarana sokatra miisa 17 tao an-tranony. Karazana Angonoka (Astrochelys yniphora) ny 5 ary Radiata (Astrochelys Radiata) ny 12 tamin’ireo, izay samy tsy hita raha tsy eto Madagasikara sady atahorana ho lany tamingana. Voasokajy ao anatin’ny Tovana I ao amin’ny rafitra iraisam-pirenena Cites ireo biby ireo, izay voararan’ny lalàna eto Madagasikara ny fitrandrahana azy. Ankoatra ny sokatra, nahatrarana hazo baobab madinika na jabihy ihany koa tao an-tranon’ireo sinoa 2 lahy ireo, anisan’ny zavamaniry arovana rahateo.
Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa efa mpanao trafika izy roa lahy ireo. Mpamerin-keloka ny iray, satria efa niditra am-ponja teto Madagasikara tamin’ny fanondranana sokatra ihany koa. Notazonina vonjimaika eny Tsiahafy izy mirahalahy, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Tanteraka ity hetsika ity, noho ny vela-pandrika natao taorian’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo. Niara-niasa nanao izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny zandarimaria ary ny polisim-pirenena.
Tambajotra
Vao tsy ela akory izay, rava ny tambajotra, nahitana vahiny mpanao trafika sokatra teto Madagasikara. Niainga tamin’ny nahatrarana teratany tanzaniana, nitazona sokatra miisa 800 tany Mahajanga, ny 27 desambra 2024, ny raharaha. Niitatra tany Menabe, Androy, Antananarivo ny fanadihadiana. Miisa 19 ny olona tratra, nahitana ireo Malagasy mpanangona ny sokatra any ambanivohitra, ny mpitahiry mandra-pahafeno ny isa tadiavina, ny mpanelanelana amin’ny vahiny manondrana any ivelany. Nisy sinoa 3 lahy hafa koa tratra nitondra sokatra miisa 105 teny amin’ny seranan’Ivato, ny janoary 2025 teo.
Njaka Andriantefiarinesy