Inona no tena zava-misy marina eto amin’ity firenena ity? Ohatra ny hafahafa, tsy mazavazava, izany ny fivoaran’ny raharaha politika. Misy kitsapatsa tsy hay hoe avy aiza na avy aiza izany. Ny tsaho sy ny honohono toa misary sangisangy zary tena tsy lazaina intsony. Fanina tsy hita izay ho lazaina hoe ahoana na ahoana? Toa mijonjorombona izany ilay andavanandrom-piainana.
Manoloana izany anefa, toa mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-panjakana. Miezaka manao izay tratrany ny fitondram-panjakana am-perinasa. Mandeha araka ny tokony ho izy avokoa ny fanomanana ny hetsika iraisam-pirenena. Tahaka izany ny fivelarana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena mirotoroto ara-bakiteny mihitsy ny ady sisika diplaomatika.
Tsy hita, araka izany, ny hamehezana ilay zava-miseho. Tsy maintsy mila mailo sy malina hatrany kosa anefa ny vahoaka malagasy. Ny mpanao politika tsy mipetra-potsiny amin’izao fa mitady hirika ny hakana izay tiany ho halaina. Tsy mijery loko na antoko io fa izay te hilaza fa izatsy na izaroa dia be fiavy sy milaza fa manana ny angovo ilaina amin’izay avokoa.
Tsy mendrika korontana sy kirizy sosialy intsony anefa Ramalagasy. Mahantra sy efa latsaka an-katerena i Madagasikara. Sintonina ihany ny lakolosy, mba samy tsy handrimandry manana aretina. Tsy fantatra mazava intsony hoe iza no tena mpivoy ilay resaka fanonganana na tsy fanonganana.
Raha samy miahiahy ny mpanohitra sy ny mpitazana, mila mailo amin’ny mpanao volo manoha randrana sy mpitondra fandoto iray siny kosa ny ao anatin’ny fitondrana. Tsy ilaozan’izay tsy hisy mpanindrona ivoho rahateo amin’ny raharaha politika tahaka itony. Misy ny toy ireo valala an-karona! Tsy mazavazava.
r.r