Hanome lanja ny sehatry ny fizahantany sy ny tontolo iainana ny hetsika “Ultra Trail des Ô Plateaux” (Utop), andiany faha-16, amin’ity taona ity, hotanterahina manomboka ny 9 ka hatramin’ny 11 mey, ao Mantasoa. « Fotoana iray ahafahan’ireo mpandray anjara mahita sy mankafy ny hakanton’ny toerana ary mamantatra ny mampiavaka ny tanànan’i Mantasoa izany », hoy ny filohan’ny Utop Madagascar, Andriamanalina Rivo. Manana harena maro isan-karazany azo hampiroboroboana ny toekarena i Mantasoa. Anisan’ireo toerana mahasarika mpizahatany eto afovoantany izy noho ny tantara fonosiny sy ny farihy ao an-toerana izay ho toeram-piaingan’ny ankamaroan’ny fifaninanana Utop amin’ity taona ity.
Zava-baovao
Nampahafantarina ny talata teo, tetsy Ambodivona, ny hetsika ary misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana. Afaka misoratra anarana ana habaka avokoa ireo maniry handray anjara amin’ny “Utop 2025”. Nilaza ireo mpikarakara fa hitondra zava-baovao ny hetsika amin’ity taona ity. Ankoatra ireo fifaninanana mahazatra, hisy ny hazakazaka natokana ho an’ireo manana fahasembanana ara-batana, toy ny tsy fahafahana mampiasa ny tongotra. Hisy ihany koa ny fifaninanana ho an’ireo manana fahasembanana ara-pahitana (malvoyant). Ankilany, maherin’ny 3 000 ny mpandray anjara andrasana ho tonga, ahitana teratany vahiny maro.
Henintsoa Hani