Fomba fiteny ihany ny hoe « haboridana », saingy mahafehy ihany koa ny zavatra hitranga. Nosafidiana manokana amin’ny hetsika « Un jour, un artiste », karakarain’ny IFM Analakely ny The Dizzy Brains, tarika Malagasy mpanao rock, hany misehatra amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Hotontosaina ny tontolo andron’ny 22 febroary izao io, manomboka amin’ny 10 ora maraina, mandra-pahavitan’ny seho.
Tetikasa novokarin’ny IFM, natao hanasongadinana tarika na mpanakanto iray izy ity. Nanomboka izany i Kristel tamin’ny taona 2019 sy i Gad Bensalem tamin’ny taona 2020. Niato noho ny toe-draharaha nisy, ary izao naverina izao indray izany.
Hofongarina, hofakafakaina, hampahalalana izay rehetra mahakasika ny tarika The Dizzy Brains amin’io fotoana io. Hampahalala ireo sanganasana mpanoratra izay nanovozany aingam-panahy i Eddy sy i Poun, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Halefa hojeren’ny mpanatrika kosa ilay horonantsary “The Dizzy Brains”, amin’ny 2 ora. Niarahan’ny France Télévision, ny Réunion Première ary ny 504 production namokatra sy nanatontonsa izy ity. Aorian’izay, hisy ny adihevitra malalaka, manodidina ny lohahevitra “Ny olana sedrain’ny rock, manoloana ny fivoaran’ny mozika eto Madagasikara”. Hanaraka avy eo ny “Kafe sy mozika”, hiresadresahana amin’i Eddy.
Amin’ny 5 ora hariva kosa ny fampisehoana izay tena andrasan’ny maro. Hisantatra ny andian-tseho voalohany ao amin’ny IFM io, no hanokatra ny taom-pampisehoana koa ho an’ny The Dizzy Brains.
Zo ny Aina