VAOVAO TAMBATRA

Mihena ny delestazy eto Antananarivo. Antony, niakatra ny haavon’ny renirano manodina ny tohodranon’Andekaleka any amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Faida. Miakatra, araka izany, ny famokarana any an-toerana, mamatsy herinaratra ny tambajotra eto Antananarivo sy ny manodidina (RIA).

Mitantana ny tetezana Mangoro sy Antsam­pazana (RN2), ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), manomboka izao. Tsy nahitana lesoka ny asa rehefa nohamarinin’ny minisitera. Ny Contractor Daiho&Ko­noike ary ny kabinetra Chodai&CTI JV, amin’ny alalan’ny Jica, tohanan’ny governemanta japoney ho an’ny fanjakana malagasy ity tetikasa ity.

Miampy 345 ireo vokatra niditra ao amin’ny « label » Malagasy ny antsika. Porofo izany fa mitombo isa ireo indostria mpikambana ao amin’ny Sendikàn’ny Indostria eto Madagasikara (Sim). Marika fa miroborobo hatrany ny vokatra malagasy entina hamaliana ny filan’ny mpanjifa.

Fantatra nandritra ny fivorian’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) ny tondrozotra sy ny fandaharam-potoanany mandritra ny taona 2025. Nodinihina ny olan’ny hetra sy ny fomba hanohanana ny orinasa ka hanadihadiana tanteraka ny volavolan-dàlana mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) 2025.

Partager sur: