Hiverina manomboka ny sabotsy ho avy izao ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Nahazo mpanohana vaovao ny fifanintsanana ka lasa “World Cola PFL” ny anarany amin’ity taom-pilalaovana ity.
Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy io, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny lalao hikatrohan’ny Elgeco Plus sy ny Cosfa miaramila, izay hotontosaina ao amin’ny Kianja Elgeco Plus By-pass, ny alahady ho avy izao.
Fotoana iray hanan-danja tokoa izy ity, araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ity klioba ity, io no lalao farany mety ho ataon’i Nina, mpiandry harato Barea. Raha ny siosion-dresaka mandeha, hifindra klioba atsy La Réunion ny tenany. Ankoatra izay, ho hita taratra eo ihany koa ny paikady entin-dRafanomezantsoa Oelison na Coach Careca, mpanazatra vaovaon’ny Elgeco Plus.
Tsiahivina fa efa nitondra ity klioba ity izy teo aloha, ny taona 2012. Tsara ny mampahafantatra fa ity klioba ity no tompondaka lefitry ny fifaninanana nasionaly farany teo. Niova eny amin’ny Elgeco plus By-pass ihany koa ny lalaon’ny FC Rouge sy ny CFFA Andoharanofotsy, ary nahemotra ny alahady ho avy io amin’ny 12 ora atoandro izany.
Hanohana ny Star
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy Andraharo, fa ny orinasa Star no hanohana indray ny PFL amin’ity taona vaovao ity, ka lasa “World Cola PFL” ny anaran’ilay fifanintsanana. Araka ny voalazan’ny roa tonta, maharitra herintaona ny fifanarahana ary azo havaozina izany. Ampahatsiahivina fa tanjon’ny CFEM amin’ity ny hanana mpilalao avo lenta, hiatrika ny fifanintsanana afrikanina “Chan 2025”, izay hatao ny volana aogositra ho avy io, any Kenya, Ouganda ary i Tanzania.
Fitia Randria