Foaran’ny boky tetsy amin’ny IFM: Mbola maro ny liana amin’ny vakiboky

Alakamisy vao mangirandratsy, tanaty erika nifafy, fa efa nisy nilahatra nanoloana ny IFM Analakely. Niandry
ny fisokafan’ilay “Foaran’ny boky” ireo olona ireo. Ta­min’ny 9 ora katroka no na­nomboka ny varotra, ka efa tafahodina tany Tsaralalàna, tafaverina teo Analakely ny filaharana.
Porofo izany fa mbola maro ireo liana amin’ny vakiboky. Raha ny tazana teny an-toerana, tanora izay saika mpianatra ny ankamaroan’ ireo nilahatra. Tsikaritra ihany koa anefa ireo mpivarotra boky tonta, izay nampiasa vola sy olona manokana, mba hakana tombony. Na izany aza, maneho foana izany fa tsena mandeha ny fivarotam-boky tonta, satria misy ary maro ny mpanjifa.
Miisa 4 182 raha natambatra ireo boky, DVD, ary kapila fihaino nalana tao amin’ny trano famakiambokin’ny IFM Analakely, ka io natao varoboba io. Namidy 7 000 Ar ny kilao, ka noferana ho 3 kilao isaky ny mpividy ihany izany. Na izany aza, tsy mbola ampy ireo mpilahatra izany, satria mbola aman-jatony ireo tsy nahazo tamin’ny 12 ora sy sasany teo, kanefa dia lany tanteraka ireo boky. Nomena maimaimpoana kapila sy DVD ireo tsy nahazo boky ho fiononany…
Ny tantara an-tsary no tena maro mpisafidy tamin’ireo boky namidy ireo. Ma­naraka avy eo ny “Roman” isan-karazany. Toa izay hatrany ny mitranga rehefa manavao ny boky ao aminy ny IFM Analakely. Misolo boky vaovao mantsy izy ireny, izay ampiasain’ireo mpikambana ao aminy.

Zo ny Aina

Partager sur: