Futsal vehivavy : Handray anjara amin’ny Can ny Barea Ladies

Hotanterahina any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano, “Can Futsal 2025”, sokajy vehivavy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no handraisan’i Madagasikara anjara amin’izany.
Nilaza ny eo anivon’ny Fe­de­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa efa dingana lehibe ity hatao ity. Ao anatin’ny fampandrosoana ny baolina ho an’ny sokajy vehivavy eto an-toerana izany. Araka ny fanazavana azo avy eo anivon’ny federasiona, hisy dingana telo hatao hahafahana mandrafitra tsara ny ekipa nasionaly.
Voalohany, hisy ny fifanintsanana eny anivon’ireo ligy, izay hotontosaina mandritra ity volana febroary ity, mba hahitana ireo vehivavy mpilalao misongadina isam-paritra. Faharoa, ireo ekipa nisongadina tamin’ny fifaninanana isaky ny ligy ireo no hiatrika ny fifaninanam-pirenena, hatao ny volana marsa ho avy io. Ao anatin’izany koa no hanaovan’ilay teknisianina ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny Barea Ladies.
Farany, hiatrika ny fampivondronana avy hatrany ireo vehivavy voafantina manomboka ny fiafaran’ny fifaninanana nasionaly hatramin’ny fanombohan’ity “Can Futsal” ity.
Marihina fa ao anatin’ny politika apetraky ny rafitra federaly ankehitriny ny hampivoarana ny baolina kitra sokajy vehivavy.

Fitia Randria

Partager sur: