Hampiakarana ny voka-bary: Nahazo ny masomboly safiotra i Vakinankaratra

Tafiditra ao anatin’ny paikady hampitomboana 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary eto amintsika ny fampiasana ny masomboly safiotra. Nahazo ny anjarany i Vakinankaratra.

Taorian’ny tany Alaotra, natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny ma­som­boly vary safiotra, ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Mi­isa 70 ny kaoperativa tantsaha nahazo ny anjarany, miaraka amin’ny kojakojam-pamokarana miaraka aminy. Ho an’ny velaran-tany 1 ha, mi­lanja 25 kilao ny masomboly vary safiotra, miampy zezika mitotaly 750 kilao (300 kilao ny NPK, 100 kilao ny « urée » ary 350 kilao ny zezika organika).
Nilaza ny sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (SEAA), Razanamahefa Tahian’ny Avo, fa « zava-dehibe ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha. Mampidi-bola 6 tapitrisa Ar isaky ny hekitara ho an’ny mpamboly iray ny fampiasana ny masomboly vary safiotra. Hanamafy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro izany, sady hampandroso ma­haritra ny sehatry ny fambolena ao Vakinankaratra ».
Tsy zava-baovao eto amintsika ny fambolena vary safiotra. Nahatratra 12 t/ha ny vokatra azo tamin’ny fanandramana natao tany amin’ny faritra Morombe. Misitraka ny tohana avy amin’ny fanjakana ny tantsaha nahazo fiofanana manokana mahakasika ny lafiny teknika.
Miara-miombon’antoka hampahomby ny fandaharanasa ny Sekretariam-panjakana (SEAA) miaraka amin’ny mi­nisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny fandaharanasa Fihariana, ny ao amin’ny Fitsinjaram-pahefana (MATD), sns.

Vaomiera manara-maso
Natsangana ny vaomiera iombonana misahana ny fanaraha-maso sy manao tombana ny asa amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Misy ny teknisianin’ny fambolena manohana ny tantsaha mpamokatra, hanatrarana ny vokatra sy hampaharitra ny fampiharana ny lafiny teknika. Hentitra ny fepetra arahina, hiarovana ny tantsaha ma­noloana ny fanararaotana ny vidin’ny kojakojam-pamokarana samihafa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: