Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tetsy amin’ny Digue Ambohitrimanjaka, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Moto roa, scooter sy moto routière no nifandona ka nitarika ny loza. Niseho teo amin’ny fokontany Andramiarana, kaominina ambanivohitra Antehiroka, tsy lavitry ny tetezana mihazo ny kaominina Ambohitrimanjaka ity tranga ity. Niray lalana ireo kodiaran-droa ireo fa niova lalana tampoka ny mpamily an’ilay iray ka nahatonga ny fifandonana. Samy nandeha mafy izy ireto, raha ny fanazavana voaray. Tsy afa-niala sy tsy afaka nivily intsony ilay moto iray hafa ka nifandona. Vokany, maty tsy tra-drano ny mpitondra ilay moto routière, raha toa ka tsy mbola mahatsiaro tena ny iray hafa, hatramin’ny nanoratana, omaly. Voalaza fa tapaka ny vatan’ity mpamily tsy mahatsiaro tena ity. Nentina haingana eny amin’ny hopitaly CHU JRA Ampefiloha izy ireo, taorian’izay. Nandray an-tanana ny raharaha teny an-toerana ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena Ambohibao.
Mino