Nahatafiditra baolina voalohany ho azy i Rayan Raveloson, Malagasy mpilalao baolina kitra ao amin’ny BSC Young Boys Suisse, afakomaly. Tsiahivina fa nandresy 6 no ho 1 ny ekipan’i Rayan, raha nifandona tamin’ny Yverdon Sport. Marihina fa ity izany no lalao fahatelo natrehan’i Rayan Raveloson hatramin’izay nifindrany toerana izay.
Hotanterahina manomboka ny 9 marsa ho avy izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, mitondra ny anarana hoe « Yas Coupe de Madagascar ». Efa misokatra ny fisoratana anarana, araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa ny ekipan’ny Elgeco Plus Analamanga no nahazo ny amboara, farany teo.
Niatrika lalao fanazaran-tena nanoloana ny ekipan’ny ASB ny Ankoay, ho fanomanana ny dingana farany amin’ny fifanintsanan’ny “Afrobasket 2025”. Resin’ny Ankoay 79 no ho 37 ny ekipan’ny ASB. Eny Vontovorona izy ireo amin’izao manohy ny fampivondronana.
Nampahatsiahy ny Federasiona malagasin’ny volley-ball fa mila manao taratasy fangatahana amin’ny federasiona ireo mpilalao avy any ivelany hanavao “licence” ho an’ny taom-pilalaovana manaraka. Fitsipika efa nisy hatramin’izay izany fa fampahatsiahivana fotsiny no natao.