Sôvan’Antananarivo: “Natao hampita ny hafatry ny vahoaka ho an’ny mpitondra”

Mifono hafatra avy any ifotony, migadona sy mirima, miantefa any amin’ny mpitondra. Izay raha fehezina ny fototry ny “sôvan’Antananarivo”. Nanaraka ny fitsoky ny rivotry ny mozika teny, saingy mitana hatrany ny fototra ireo tarika mpanao sôva mbola mamelo-maso izany amin’izao.

“Hiresaka aminao”. Izay ny famaritana voalohany ny sôva, nomen- dRasambotia Elysé Joseph, fantatry ny maro amin’ny hoe Mamisoa. Sady mpitarika ny Fitarikandron’i Tsia­dana izy, no filohan’ny fikambanan’ny mpiangaly sôva ma­lagasy. Raha hitarina ny famaritana dia karazan-kira mampita hafatra, misy lohahevitra voafaritra, atao amina gadona arahina amponga sy tehaka izany. Misy endriny maro, hataona foko maro eto Ma­dagasikara, ka anisan’ireny ny jijy, ny tandonaka, ny tôkatôka, sns. Ny sôvan’Antana­narivo kosa no nifantohan’ny fanadihadiana.
Oviana no nipoitra ny sôva? Tsy tena voafaritra ara-tantara marina. Raha ny teto Antananarivo manokana, efa nisy tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka izy io. “Voalaza fa rehefa hampita resaka na fitarainana amin’ny mpanjaka taloha, dia amin’ny alalan’ny sôva no hanaovana azy. Natao an-kira ka takatry ny mpanjaka izany. araka ny lovan-tsofina henonay io fa eo ny mpahay tantara hanamarina izany”, hoy ny nambaran-dRabenjamina Willy, anisan’ireo mpanetsiketsika ny sôva, sady filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe ra­hateo.
“Efa hatrany amin’ny niantombohany, natao fitaovana hampitana ny hafatry ny vahoaka ho an’ny mpitondra ny sôva. Nifandimbiasana teo izany, ka mbola mitoetra hatramin’izao fotoana izao”, hoy ny fanamafisana nataon’i Mamisoa. Tany amin’ny taona 1960 – 1965 tany vao niverina kely indray ny sôva, ka zatovo 15 taona teo ho eo no heno namelona azy tamin’ny RNM tamin’izany. “Ny taona 1970, tamin’ny andron’ny filoha Tsiranana, nampiakarina an-tsehatra nandritra ny Fête de l’armée sy ny podium rehefa 14 oktobra ireo tarika mpanao sôva. Fifaninanana isam-pokontany mihitsy ny tamin’
izany, ka anisan’ireo nitarika izany ny raiko”, hoy hatrany izy. Rasambotia Joseph na Razefa, anisan’ireo mpisôva nalaza nitarika ny Fitarikan­dron’i Tsiadana ny rainy…
Maro ireo tropy isam-pokontany teto Antananarivo no nalaza tamin’izany: Ny tanoran’ Andranomanalina, ny Hazo Midoroboka Ampaha­marinana, Gasy Misôva Be­horirika, Raozin’ny Dalia Am­pandrana, Fanjan’Anjanahary, Tsiriry Isotry… Ireo no mbola misy mamelona, fa nanana tropy nalaza koa ny teny Ambohijanahary, Andraisoro, Amboditsiry, Antohomadinika, saingy tsy nisy nanohy.

Tsy fitaovan’ny mpanao politika…
Satria fampitan-kafatra manakaiky ny vahoaka, nampisongadinana indrindra ny sôva ny grevin’ny mpianatra ny taona 1972. Nambara fa sady anisan’ireo Zwam na Zoam ihany koa ireo mpanao sôva izay marobe no nandray anjara tamin’ny tolona. Tany anaty tononkira sôva avokoa ireo teny sy fiteny maro nivoaka tamin’io vanim-potoana io: “Tsy maintsy mandresy ny tolom-bahoaka”, “Rotaka”, sns. Tsy mpanao politika, kanefa nampiasain’ny politika teo ny mpisôva.
“Hira mandondoana fitondrana, mitaky fahaleovantena, mitady fahamarinana, sns. Tsy mba miresaka fitiavan’olon-droa izany mihitsy fa ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena ihany. Miainga avy any anaty fiarahamonina any mihitsy izahay, ka maha­tsapa ny iainan’ny vahoaka. Ohatra, nanoratra momba ny jiro tapaka sy ny rano tsy misy aho farany teo. Mpanao gazety an-kira ihany koa no hamaritan’ny olona anay mpanao sôva”, hoy i Mamisoa, izay anisan’ireo ankavitsiana mbola mamoron-kira sôva manaraka vanim-potoana.
“Tsy midika izany fa mpanao politka ny mpanao sôva. Tsy any amin’ny minisiteran’ny Atitany ireo no misoratra fa any amin’ny Omda toy ny mpanakanto rehetra. Ahiahina foana ny mpanao sôva noho izay heverina ho mpanogam-panjakana izay na sanatria mpanakorontana. Ny hetsika “Festisôva” izay nokarakarainay maromaro no nahatsapanay fingampingana noho izay fahatahorana izay. Efa nisy fotoana hametraka ny sehatra tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna no nilatsaka ny didy fandrarana fa tsy azo hatao indray ny hetsika ary efa nodidinina Emmo-Reg teo. “Ilay sôva ve no mavesatra? Nefa dia efa mazava ny lohahevitra voizinay fa ny ady amin’ny herisetra. Maro ny herisetra notaterinay satria niainana mihitsy, toy ny fanolanana, vono olo­na, fanendahana, sns”, hoy ny fitantaran’ny filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe.

Mozika manaraka vanim-potoana
Mipoitra, milentika kely, dia mipoitra indray… Toa izay hatrany ny sôvan’Antana­narivo. Noho izy manaraka vanim-potoana, ka arakaraka ny toe-draharaham-pirenena angamba. “Teo koa ny tsy fisian’ny sehatra niakarana intsony. Lasa tany amin’ny famoran-jaza no milalao, mifampitsako ireo tarika mpanao sôva. Mamaky ny alina eo ka teraka teo ilay hoe vaky ny sôva ka lasa hira”, hoy hatrany ny fanazavan’i Mamisoa.
Noho ny sôva tsy mety marin-toerana izay no nahatonga ny fikambanana Tam­bohobe nandray an-tanana ny fampiroboroboana ity endri-kolontsaina iray ity. Notai­tairina ireo tropy isam-pokontany. Namelo-maso ireo zazanavela, ka nanome sehatra azy ireo ny fikambanana,
amin’ny alalan’ny hetsika “Festival Tambohobe”. Ni­velatra kokoa ny mozika sy ny gadona, ka nampidirina ireo karazan-javamaneno hafa, toy ny ampongamaroanaka, ny gitara beso ary ny sodina. Vitsy ihany ireo tarika mba nahavita fandraisam-peo taloha, fa amin’izao kosa efa mirona amin’izany ireo tropy ma­laza.
“Tsy afenina fa mila vola avokoa izay hatao. Ireo namana ireo anefa mpitady isan’andro, misy mpivarotra amoron-dalana, mpiambina, mpanjaitra kiraro, sns. Fa manao ezaka mba hanatrarana ny tanjona. Efa mifampiraharaha amin’ireo mpamokatra izahay, mba hijery ny mpanao sôva eo amin’ny tsenan’ny mozika. Antony lehibe nananganana ny Sôvan’Analamanga io. Tropy iray manokana, nampiarahana ireo kalaza indrindra isaky ny tarika teto Anta­nanarivo io. Toa ireny ekipam-pirenena ireny izany. Efa niara-niasa tamin’ireo mpanakanto maro toa an’i Rossy, Njakatiana, Mahaleo, sns. Fikasanay ny mba hitondra ny sôva any ivelany ihany koa, na dia ho an’ireo mpiray tanindrazana mila ravinahitra any ivelany, ka manembonembona ireny taloha ireny fotsiny, aza”, hoy hatrany ny fanazavana.

Notontosain’i Zo ny Aina

Partager sur: