Tambajotra Soa: Tohana nanatsarana ny famokarana

Mikendry ny hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Ma­dagasikara ny tetikasa Sanbonai. Miara-miombon’antoka amin’ny fikambanana Mpamboly frantsay sy fampandrosoana iraisam-pirenena (Afdi). Nahazo tohana ny tambajotra Soa, ka voakasiky ny tetikasa ny faritra Anala­manga, Bongolava ary Itasy. Nambaran’ny filohan’ny tambajotra Soa, Razafimbololona Angéline, fa “paikady notratrarina ny vahaolana hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro. Toy ny fampitomboana ny vokatra, ny famokarana masomboly tsara kalitao, ny fambolena agro-ekolojika (zana-kazo, zezi-pahitra, fifampivadiana voly, ….). Nofanina ara-teknika sy ara-pitantanana ny mpamokatra, indrindra ny tanora. Nofanina ihany koa ny vehivavy, amin’ny lafiny fanjarian-tsakafo maro loko sy ny olona marefo”.
Mahatratra 700 ny tanora nofanina, ary maherin’ny 200 no notohanana ara-bola, ahafahan’izy ireo mamokatra. Ni­ainga tamin’ny 600 000 Ar tsirairay ny taona voalohany, niakatra 800 000 Ar ny faharoa ary 1 000 000 Ar ny fahatelo. Seha-pihariana natao ny fambolena vary, katsaka ary voly anana sy legioma.
Tapitra ny tetikasa, ankehitriny, izay naharitra 3 taona. Nilaza ny filohan’ny tambajotra Soa, fa nahafa-po ny vokatra, satria miavaka ireo tantsaha nisitraka ny fiofanana miohatra amin’ny hafa. Mitohy kosa ny tohana sy fanaraha-maso ataon’ny tambajotra.

Henintsoa H.

Partager sur: