TARATRY ny KANTO

Rija Ramanantoanina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela indray tsy tao amin’ity toerana mahazatra azy ity izy. Hampiara-peo amin’i Yrinaf i Rija anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hitrotro azy ireo kosa ireo mpitendry efa mahazatra, Toa an-dry Fy Rajaofetra, Datita Rabeson, Rindra Rakotosaonina ary Sandratra.

Natokana ho an’ny olon-dehibe! Raikitra fa hanolotra “Ndao hifankatia” ny Vondron’ny mpiangaly tantara fihaino. Amin’ity indray mitoraka ity, eny an-tsehatry ny Ivokolo Analakely no hanehoan-dry zareo ny talentany, ny alahady 16 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. 18 taona no mihoatra ihany no ho afaka hijery ny “Ndao hifankatia”.

Anio ilay “Resaka Hakanto”, etsy amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Resadresaka iarahana amin’i Joël Andrianomearisoa sy i Hasnaine Yavarhoussen, izay nanorina ny tahala Hakanto Contemporary izy ity. Mazava loatra fa hiresahana ny zavakanto amin’ny ankapobeny, sy ny andraikitry ny tahala manoloana izany, ny fotoana.

Mbola Talenta sy Inah, eny amin’ny Phô Resto Ivato. “Mbola Tia” ny anarana nampisalorana ity fiarahana an-tsehatra ity. Handahatra ireo hiram-pitiavana, manasongadina ny fampiarahampeon’ny lahy sy ny vavy ireto mpanakanto ireto, mandritra izany. Eo ihany koa ireo hira efa mahazatra ny mpankafy ny Les Talenta, na mihetsika izany na ny milamindamina.

Partager sur: