Anisan’ny vokatra vokarin’ny Alpha Ciment ny simenitra lafatra. Ho fanapariahana izany, nisy ny lalao ho an’ireo mpanjifa natao ny 15 ka hatramin’ny 31 desambra 2024 lasa iny. Notanterahina ny 24 janoary 2025 lasa teo, tetsy Analakely, ny fanolorana ny loka ho an’ireo tsara vintana. Niisa 15 ireo nisitraka izany ka nomena 1 taonina avy.
Notsiahivin’ny tomponandraikitra fa akora mamaly ny filan’ny mpanjifa amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa na famitana toeram-ponenana na tetikasa mifandraika amin’izany ity vokatra ity, izay vita malagasy tanteraka.
Efa nisy ny fotoana nampahafantarana sy nanaovana fanehoana ity akora ity, nandritra ny
« Salon international de l’habitat 2024 », niaraka tamin’ireo teknisianina avy amin’ny orinasa mpamokatra. Dingana manaraka ny fanomanana lalao sy fanentanana ho an’ireo mpanjifa matoky ka mampiasa ity akora ity. Manohana sy manaja ny tontolo iainana ho an’ny hoavy maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izy ireo. Toerana telo no misy ny orinasa misahana ny akora dia ny any Ibity Antsirabe, Toamasina ary Antananarivo.
Henintsoa H.