TSELATRA

Tafaverina eny anivon’ny fianakaviany ilay mpanao gazety nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Morondava, omaly. Niverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ao an-toerana. Marihina fa sary nalain’io mpanao gazety io no antony niteraka ny fisamborana azy, araka ny loharanom-baovao.

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny lehilahy namono nahafaty zaza vao enim-bolana tao Andranofasika, kaominin’i Matanga, distrikan’i Vangain­drano, ny alatsinainy tolakandro teo. Niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’io zaza io sy ny reniny ilay lehilahy. Nofirainy antsy avy hatrany ilay zaza ka namoy ny ainy.

Fiara mpitatitra entana nivarina an-tanimbary tany amin’ny lalam-pirenena fahenina, tao Ambalabe Andrefana, tsy lavitry ny biraon’ny fitaleavam-paritra Sofia, ny 6 febroary teo. Nisedra lalan-dratsy, niharan-doza io fiara be io. Tsy nisy aina nafoy saingy potika ny fiara.

Lehilahy telo nandositra vao nahita ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tetsy Ankazotoho, Ano­simahavelona, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Natsipin’ izy ireo , nandritra izany, ny kitapo teny aminy. Nahitana basy vita gasy iray sy bala 4, calibre 12, ny tao anatiny rehefa nosavaina. Efa nogiazana ireo fitaovam-piadiana ireo. Eo am-pikarohana ireo telo lahy tompon’io kitapo io ny eo anivon’ny mpitandro filaminana.

Partager sur: