Vonona ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny « Passion Pétanque Française » (PPF 2025). Nanainga herinandro mialoha ny fanombohan’ny fifaninanana ry zalahy, ho fanomanantena amin’izany.
Nihazo an’i Frantsa, omaly, ny ekipa malagasin’ny tsipy kanetibe, hiatrika ny « Passion Pétanque Française » (PPF 2025). Fifaninanana tanterahina any Aix en Provence, ao amin’ny Complexe sportif Val de l’Arc, ny 15 sy 16 febroary ho avy izao. Raha tsiahivina, manana ekipa roa i Madagasikara. Ny ekipa voalohany, misy an’i Nanou sy i Racle ary i Tselonina, kapiteny. Ekipa faharoa, ahitana an’i Zigle sy i Tina Kely ary i Baloty, kapiteny.
Nisafidy ny handeha mialoha ny delegasiona malagasy mba hizatra ny toetr’andro, satria mbola ao anatin’ny hatsiaka mamirifiry tanteraka amin’izao fotoana izao ny any an-toerana. Ankoatra izay, mbola misy fanasana amina “Tournoi”, handraisan-dry zalahy anjara mialoha an’io famaranana lehibe amin’ny “PPF 2025” io.
Tsy vaovao amin’ireto Malagasy mpilalao ireto ny fandraisana anjara amin’ny lalao goavana toa izao. Raha tsiahivina, mpilalao mipetraka any Frantsa i Racle ary efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany farany teo. I Zigle, nahazo ny medaly volamena tamin’ny “Mondial 2024” ary i Tina Kely, tompondaka lefitra maneran-tany. I Baloty sy i Nanou, efa nanao ny “Tournoi Estival 2024”.
Miisa 16 ireo ekipa hiady izay ho lohany amin’ity “PPF 2025” ity. Ankoatra ny Malagasy, nandrafitra ekipa iray koa ilay Frantsay, i Dylan Rocher sy ilay Italianina, i Diego Rizzi, tompondaka maneran-tany farany teo. Iray tarika ihany koa ireo filipianina telo lahy dia i Quintais, i Suchaud ary i Pietri.
Ny fifanintsanana isam-bondrona no hanokatra ny fihaonana, ny 15 febroary, hitohy amin’ny lalao sakana ary ny ampahefa-dalana. Ny manasa-dalana sy ny famaranana kosa ny alahady 16 febroary.
Tompondaka