Hanampy amin’ny famokarana herinaratra amin’ny RIA ny tetikasa « Tana Medium Ring ». Hanangana zotra mpitatitra herinaratra 90KV, mirefy 193 km, ny tetikasa. Hamafisina ireo zotra efa misy ka hatsangana ny « sous-stations » miisa 8 ao Antsipolitra, Antsirabe I, Antanifotsy, Behenjy, Tana Sud II, Ambohijanaka, Tana Ouest II, ary Imerintsiatosika.
Hiasa manomboka amin’ity volana febroary ity ny « Turbine éolienne » voalohany mirefy 50m ao Taolagnaro. Iray amin’ireo 19 hatsangana izany ka afaka mamokatra herinaratra 850 Kw. Mitotaly 16MW ny herinaratra ho azo amin’ny alalan’ny tetikasa rehefa tafajoro avokoa ireo « turbine ».
Nihena 15,4% ny vola azo tamin’ny fanondranana lavanila nandritra ny taona 2024, noho ny fidinan’ny vidim-bokatra 70% na niakatra 224,9% aza ny vokatra naondrantsika. Nilatsaka hatrany amin’ny 128,4 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ny fanondrana nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2024, raha toa 226,1 tapitrisa dolara izany ny taona 2023.
Nohavaozina ny drafitra sy tetikasa nasionaly ho an’ny fahasamihafan’ny zavaboahary. Tanjona ny hanatsarana ny fiveloman’ny mpanjono sy hiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny toekarena manga. Kendrena ny hahazoana vokatra maharitra sy miaro ny harena voajanahary.