Niara-nahatsiaro ny vonomoka natao ny mpiray tanindrazana, ny andron’ny 7 febroary 2009 ny Malagasy, omaly. Andro maizina teto an-drenivohitra noho ny fisian’ny faty niampatra, nitaky ny fanovana. Tsy vitan’ny nandrodana ny fitondrana fa nivadika ho fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny fitondrana ankehitriny ihany koa izany. Nanomboka teo ny “ vanim-potoana Rajoelina”.
Tsy fanadino ny tantara! Tokony hitsangana sy hiaro ny tolona natao ny rehetra. Tsy tokony ho hadino fa nisy ny nanao sorona ny ainy. Teo ny namoy ray aman-dreny, nisy ny kamboty tsy satry. Tsy mbola sitrana mandrakizao ny ratra, tsy mety voafafa ny fery. Mikiky mandraka izao ny tarazo navelan’ny tolona, tsy mety mbola vita.
Tsy mbola azo tsapain-tanana aloha ny fiovana, araka ny nandrasana. Nanantena fiovam-piainana tena goavam-be avokoa ny rehetra. Nihevitra fa misy ny fahagagana hoentin’ny mpitarika. Misy ny olana tsy voavaha, miampy olana mbola ho vahana. Anisan’izany ny vidim-piainana tsy mety midina fa mainka midangana dia midangana. Manginy fotsiny ny fanaovan’olom-bitsy rapadango ny harem-pirenena.
Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra fa vita ny tolona. Mbola misy ny ady hafa tsy maintsy hatrehina. Mafimafy ny miandry ny isan-tokantrano. Mangidy ny tsy fahampiana, na ny tsy fisian’ny hatokona ho an’ny vady aman-janaka. Maro no mandrifotsy, betsaka no misakafo ambany foitra.
Tsy azo hodiana tsy hita kosa anefa na izany aza ny ezaka efa vita. Maro ny fotodrafitrasa mijoro. Hita taratra ny fivoaran’ny tanàna. Azo tsapain-tanana ny fanatsarana. Betsaka ny ezaka vita ary efa hita taratra manerana ny Nosy izany. Maro ny mpisitraka!
r.r