Ady amin’ny valala 2025-2028: Nahazo angidimby faharoa

Tsy ho tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo raha tsy voafehy ny valala, izay loza mitatao ho an’ny fambolena. Manana drafitrasa iombonana ny governemanta sy ny FAO, ho an’ny taona 2025-2028.

Nihanaka ny andiam-balala ny oktobra 2023 ha­tramin’ny marsa 20 ­24, vo­katry ny fiovan’ny toetr’­andro. Ny desambra 2023 no tena nirongatra izany, nahakasika velaran-tany 270 000 ha, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Manoloana izany, napetraka ny drafitrasa mandritra ny 4 taona (2025-2028), iarahan’ny governemanta amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Ivontoerana famongorana valala (IFVM), tohanan’ny FAO ara-bola sy ara-teknika miaraka amin’ny governemanta norvezianina sy ny Pam.
Manodidina ny 21,2 tapitrisa dolara ny tetibola ho am­piasaina. Mahatratra 600 000 ha ny velaran-tany efa nanaovana ny ady voalohany nanondrahana ranom-panafody, ary 32 500 ha ny efa voaaro. Miisa roa ny angidimby hampiasaina, ka efa natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny praiminisitra Ntsay Christian ny voalohany, ary ho avy amin’ny herinandro ity ny faharoa.
Efa misy ny famatsiam-bola ho an’ny roa taona voalohany (2024/25 sy ny 2025/26) ary ho avy ihany koa ny ho an’ny roa taona manaraka (2026/27 sy ny 2027/2028) avy amin’ny mpiray ombon’antoka. Miisa telo ny ekipa efa miasa any Ankazoabo, Belo­motra ary Fotadrevo, nahavita famonoam-balala tamin’ny velaran-tany 32 000 ha.

Miantso ny mpiara-miombon’antoka
Nilaza ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio, fa « raha miara-miasa sy miezaka mitohy isika, dia ho voafehy ara-potoana ny valala mpanimba voly. Ho voaaro ny fambolena sy ny tontolo iainana ». Nanamafy ny mpandrindram-paritry ny FAO Atsimon’i Afrika, Patrice Talla, fa « zava-dehibe ny hetsika ary miantso ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, hiara-hientana hiady amin’ny valala, hiarovana ny fambolena ».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: