7 febroary 2009- 7 febroary 2025. 16 taona omaly ny hetsi-bahoaka teny Antaninarenina tamin’ny 2009. Notsarovana omaly izany.
«Tolo-panafahana niraisan’ny vahoaka tamin’ny 2009 nandrodanana ny jadona. Voarakitra eo amin’ny tantara izany. Anjarantsika ankehitriny ny manome hasina sy lanja ny ra latsaka tamin’izany”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Antananarivo, Andriamananoro Augustin, tamin’ny hetsi-pahatsiarovana nametrahana fehezam-boninkazo teny Antaninarenina, omaly. Mbola mankahery hatrany ireo fianakaviana rehetra niharam-boina. Eo koa ireo namana rehetra niara-nitolona tamin’izany. Tsaroana manokana ny filoha Rajoelina Andry, izay mpitari-tolona tamin’izany taona 2009 izany. Ankehitriny, miroso amin’ny dingana vaovao amin’ny tantara. Manoratra pejy vaovao amin’ny lalan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izany.
Fihavanana sy fifankatiavana
Hatramin’izao, mbola misy ny firaisam-po sy sain’ny vahoaka malagasy. Tsy nandeha tamin’ny lalan’ny fisaraham-bazana, fa mirona ho amin’ny firaisankina sy ho amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara. Mino izy fa ho lalan’ny fihavanana sy fifankatiavana ny 7 febroary manaraka hodiavina, ary hipetraka ho tantara ny tolon’ireo maherifo hatramin’izao.
“Teto ny nanehoan’ny Malagasy ny tohitra nanesorana ny jadona teto amin’ny firenena. Teto no nandrava ny tsimatimanota, nanoloran’ny Malagasy ny ainy. Vavolombelon’ny tantara isika amin’i zao”, hoy kosa ny filohan’ny fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny 7 febroary (AV 7), Andriamahefarisoa Etienne. Manao izay ho afany ny fitondram-panjakana, na eo aza ny krizy iraisam-pirenena sy ny sarotra tsy maintsy lalovan’ny firenena.
R. Nd.