Nifarana ny tetikasa vatsian’ny Japon vola, “Fampiasana ny paikady sy ny teknolojia vaovao hamonjena ny ain’ny vehivavy sy ny zatovovavy eto Madagasikara”. Tetikasa mifototra amin’ny fahasalamana niarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) ary notohanan’ny Japon.
Nanamarihina ny fifaranan’ny tetikasa tao Ranomafana ny fandefasana ny drones hitondra ny fanafody ho an’ny faritra saro-dalana any Atsimo sy Atsimo Atsinanana. Hanampy koa ny asan’ny Clinique mobile, ahitana fiarabe mitondra tolotra fahasalamana miaraka amin’ny fitarafana sy fanafody samihafa. Vahaolana vaovao ireo ary nitondra tombontsoa ho an’ny vehivavy 84 000 teo amin’ny fananahana ara-pahasalamana. Fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy ihany koa.
Efa niitatra hatrany amin’ny distrikan’i Ranomafana ny tetikasa raha nosantarina tao Bekily. Nampiana drones telo vaovao matanjaka kokoa hiasa ka ho tratra anatin’ny fotoana fohy ny fanaterana ny fanafody amin’ny toerana saro-dalana tsy todin’ny fiara. Nizara fanafody eny anivon’ny CSB 60 eo ho eo, ho an’ny distrikan’i Nosy Varika, Ikongo, Ifanadiana, Mananjary sy Manakara ary Vohipeno ny fitaovana. Samy hisitraka fanafody avokoa ny vahoaka na ireo monina lavitra aza noho ny fampiasana ny teknolojia vaovao.
Vonjy