Mpanakanto mpanao dihy sy mozika, notsoingaina manokana. Toy ny ekipam-pirenena hitondra avo ny kolontsaina malagasy ny Maf’B, izay lasa any Inde.
Nisokatra omaly ny “Festival The Surajkund International Crafts Mela”, andiany faha-38. Miendrika foarabe midadasika izy ity, izay fanao any Surajkund Haryana, any Inde, isaky ny volana febroary. Nisokatra omaly ny andiany faha-38 amin’ity hetsika ity, izay tsy hikatona raha tsy ny 23 febroary. Sehatra maro no hasongadin’izy ireo amin’izay, toy ny fizahantany, ny asa tanana, ny fambolena fa indrindra ny kolontsaina. Mahakasika izay indrindra, manasa mpanakanto avy amina firenena maro, haneho ny mampiavaka azy eo amin’ny sehatry ny dihy, ny mozika, ny fitafy, sns, ny mpikarakara isan-taona.
Voaasa indray i Madagasikara amin’ity andiany ity. Toy ny tamin’ny taona 2023, hanasongadina ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy mandritra izany ny Malagasy Folkloric Band na Maf’B. Mpanao mozika sy mpandihy miisa 15 no notsongaina tamin’ity mba hitondra avo izay voninahi-pirenena izay. Mpampianatra sy mpianatra ao amin’ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac izy ireo. Naka ny tsodranon’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera nialohan’ny niaingany ny Maf’B, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Nanisana. “Efa nankatoavin’ny Filankevitry ny governemanta” ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ity hetsika ity. Anisan’ny fanjakana indianina i Madagasikara ka handefa azy ireto hisolo tena antsika hanasongadina ny soatoavina malagasy. Nandalo naka ny tsodrano izy ireo, ka ho ombilahy mazava loha, ho tsara mandroso ho tsara miverina. Tsy karama fa filatsahana an-tsitrapo no handehanan’izy ireo”, hoy ny minisitra Mara Donna Volamiranty.
Tsikaritra fa ankavitsiana sisa ireo nandrafitra ny Maf’B tamin’ny 2023 no mbola voatazona ao anatin’ny delegasiona. Anisan’izany i Solo Randria Ernest sy ireo mpampianatra ao amin’ny Anac. Tazana manampy azy ireo, ary azo antoka fa hampiavaka ny ekipa ihany koa i Zamba Valiha. Efa kalazalahy amin’ ny mozika ary fantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy.
Zo ny Aina