Namoaka fanambarana mandà marindrano ireo lainga aparitaka amin’ny tambajotra sosialy, milaza ny fivarotana ireo nosy maromaro manodidina an’i Nosy Be amin’ny mpampiasa vola vahiny, Emiratis, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nohitsin’ny fanambarana fa tsy misy fangatahana voaray na fifanarahana nosoniavin’ny fanjakana malagasy ho an’ny Emiratis, momba izany. Mazava rahateo ny didy aman-dalàna momba ny fananantany sy ny fampiasana azy, eo ambany fanaraha-mason’ny fanjakana malagasy.
Manoloana izany, miantso ny vahoaka hitandrina amin’ny vaovao tsy marina sy ireo fanakorontanana isan-karazany, miparitaka eny amin’ny tambajotran-tsosialy ny eo anivon’ny MFFT. « Aoka hanamarina ireo loharanom-baovao ofisialy hialana amin’ny fandisoana sy fanodinkodinana ny hevi-bahoaka », hoy ny fanambarana. Nohelohin’ny minisitera koa ny famafazana lainga ho fitandrovana ny filaminam-bahoaka. « Hiharan’ny lalàna famaizana ireo olona na fikambanana minia manohintohina ny fitantananan-draharaham-panjakana », hoy hatrany ny eo anivon’ny minisitera.
Araka izany, diso sady tsy mitombina ireo vaovao miely momba ity resaka fivarotana nosy maromaro any Nosy Be ity.
Synèse R.