Naparitaka amin’ireo boriborintany enina ireo mpiasa vaovao 158. Hanampy tosika amin’ny fanatrarana ny tanjona amin’ny fahadiovana izy ireo. Ny boriborintany no fitaratra voalohany hitan’ny mponina. “Mankahery anareo aho fa tsy mora ny asa miandry ary manantena vokatra tsara avy amintsika”, hoy ny sekretera jeneralin’ny CUA.
Polisy monisipaly 30 avy no haparitaka eny amin’ireo boriborintany enina. Hanampy amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana, ny fanaraha-maso ny fahadiovana sy ny fandaminana ankapobeny izy ireo. Noraisin’ny ben’ny Tanàna, Harilala Ramanantsoa, omaly, ireo polisy monisipaly voatendry hiasa eny amin’ny boriborintany nanendrena azy.
Hifarimbona amin’ny faritra Boeny ny orinasa mpanatanteraka ny asa fanamboaran-dalana ao Mahajanga izay ho am-perinasa manomboka androany. Hampindrana fitaovana ny faritra entina hanamorana ny asa mandra-pahatongan’ny fitaovan’ny orinasa izay vao miainga any Farafangana.
Tsy voatery manana porofo vao afaka mitoroka trangam-pamarinana olombelona, hoy ny birao misahana ny ady amin’ny famarinana olombelona. Raha mahita na mahafantatra olona ahina ho tratran’ny famarinana olombelona ianao dia mampilaza avy hatrany, miantso ny laharana 034 32 111 22 na ny mpitandro filaminana akaiky. Ireto farany no manao fanadihadiana mba hahazoana ny porofo rehetra raha trangam-pamarinana no miseho na heloka hafa.