Manoloana ny fahatapahan’ny famatsiam-bolan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny Fampandrosoana iraisam-pirenena USAID, maneho ny heviny i Lanto Ratsida, mpandinika fiarahamonina.
Nilaza izy fa amin’ny lafiny iray, ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena amerikanina, Donald Trump, dia manana ny paikadiny sy fanapahan-kevitra hanao izay hampatanjaka an’i Amerika indray.
Ho antsika eto Madagasikara sy Afrika kosa, misy lafiny ihany ahitantsika fa ireny fanampiana nomena ireny dia nanentsina ny lavakabe izay tsy ampy amin’ny fandraisantsika an-tanana ny fampandehanana ny firenena. Ny lafiny fahasalamana sy ny sosialy indrindra indrindra no tena novatsian’ ny amerikanina betsaka.
Niteraka asa be dia be, vola miditra tamina sokajin’olona maro ihany koa ny fisian’ireny tetikasan’ny USAID tamin’ny alalan’ny famatsiambolan’ny vahoaka amerikanina ireny. Misy ampahan’olona maro toy ny teknisianina sy ireo mpiantsehatra eny ifotony dia very asa. Any amin’ny fiaimpiainana samihafa dia miara-miasa sy mahazo famatsiam-bola avokoa.
Hisy fiantraikany amin’ny sehatry ny fahasalamana indrindra koa. Satria, betsaka ny tetikasa vatsian’ny USAID vola, ny famatsiana fanafody mifanentana amin’ny fahefa-mividin’ny olona sahirana…Ny famatsiana fanafody amin’ny drône.
Tsy maintsy hisy akony ary marary izany very asa sy fahabangana be izany mandra-pahita vahaolana.
Fotoana hahatongavan-tsaina mba hahaleo tena
Na izany aza, manampy an’i Madagasikara hiarina sy hiverina hahaleo tena izao zava-misy izao. Fantatra hatramin’ny voalohany fa zavatra tsy haharitra ireny tetikasa ireny. Tokony hiteraka faharetana izany ary hahatongavan-tsaina ho amin’ny fizakan-tena amin’ny lafiny maro amin’izay. Niankindoha be loatra tamin’ireny famatsiam-bola avy any ivelany ireny ny rafitra teto amin’ny firenena dia fotoana hahafahana mametraka zavatra maharitra izao na dia mikorontana aza aloha ny resaka famatsiam-bola.
Entina hieritreretana ny tranga misy ary azo itarafana zavatra marolafy. Tsarovy fa na hatramin’ny fanamboarana lavapiringa aza dia iandrasantsika vola avy any ivelany. Fotoana manery antsika izao hitady fomba anatiny amin’izay. Ny tanjona dia ny hahafahana misahana ny firenena tsy hiankindoha ary hitondra antsika amina fahaleovantena ara-bola amin’izay.
Miandry ny fanapahan-kevitra aorian’ny 90 andro: Nampodiana aloha ireo mpiasa nisehatra any amin’ny faritra
Tetikasa maro no tohanan’ny USAID amin’ny lafiny teknika sy ara-bola eto Madagasikara. Misandrahaka amin’ny lafiny maro izany. Toy ny fahasalamana, ny tontolo iainana, ny rano, ny fanjarian-tsakafo, ny fahaiza-mitantana ny fanampiana, ny hamehana, nandritra ny taona maro. “Ny zavatra tsy azo lavina, nitondra tombontsoa ho an’ny tokantrano manerana ny faritra eto Madagasikara ny vokatry ny tetikasa”, hoy ny filohan’ny fikambanana miara-miasa amin’ny USAID. Singanina amin’izany ny tantsoroka amin’ny ady amin’ny aretina tazo izay mbola olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Misy hatrany ny fizarana lay misy fanafody ary maimaimpoana ny fitsaboana ny aretina tazo eny amin’ny tobim-pahasalamana noho ny tohana entin’ny tetikasa. Voaaro amin’ny aretina tazo ny tokantrano ary hizarana fanafody koa ny vehivavy mitondra vohoka.
Vahaolana vaovao nentina nanatonana ny vahoaka nitondra tolotra fahasalamana koa ny clinique mobile mitety distrika maro. Iray amin’ireo mpiray ombon’antoka nahatontosana ny tolotra ny USAID, araka ny fanazavana. Nipaka eny ifotony ny vokatra nentin’ireo tetikasa maro amin’ireo sehatra voalaza ireo ka miandrandra ny hiverenan’ny famatsiana ireo ONG mpiray ombon’antoka. Satria, nifototra ho an’ny ady amin’ny fahantrana ny tanjona.
Miato ao anatin’ny telo volana ny famatsiam-bola ireo tetikasa samihafa sahanin’ity sampandraharaha amerikanina ity ka tafiditra ao ny eto Madagasikara. Hanaovana tombana ny tetikasa rehetra ao anatin’izay fe-potoana izay ka hivoaka ny fanapahan-kevitra vaovao aorian’izay. Ireo mpiasan’ny ONG izay efa nidina eny ifotony hanatanteraka ny tetikasa any amin’ny faritra efa nampodiana avokoa aloha satria nitsahatra koa ny asa rehetra. Tsy mandray karama koa vokatr’izany ka sahiran-tsaina ireo mpiasa satria mamelona tokantrano aman’alina ny fisian’ny tetikasa vokatry ny tohana nentiny teto amintsika.
Nanatontosa : Vonjy sy Tatiana