Voatendrin’ny filohan’ny Repoblika ho loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Naneho ny heviny avy hatrany ny tenany, manoloana izany.
“Mariky ny fahatokisan’ny filohan’ny Repoblika no nanendrena ahy”, hoy ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny lanonana nametrahana samboady azy teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Anosy, omaly. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nisaoran’ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana ny filohan’ny Repoblika nanendry azy ho mpikambana vaovao ao amin’ny Antenimierandoholona. Heveriny fa zava-dehibe ny antony fahatokisana amin’ny vanim-potoana toa izao. Ny zava-misy, na tiana na tsy tiana: mila mpanohana ny fitondram-panjakana. Naverin’ny filohan’ny Repoblika taminy ny fahatokisana azy. Misy anjara andraikitra sy faharesen-dahatra tsy maintsy ijoroany amin’izany.
“Tsy anjarako ny misora-tena toa voatango hoe izaho izany no tena tsara toerana eto amin’ity andraikitra maha loholona ity”, hoy kosa izy ny amin’ny hoe olona tsara amin’ny toerana tsara. Ny traikefa rehetra izay mety ho azony tamin’ny fanaovana politika dia entina hanasoavana ny andrimpanjakana nametrahana azy. Mba ho amin’ny tombontsoan’ny firenena izany. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny mpikamban’ny governemanta, solombavambahoaka, loholona, manampahefana samihafa…
R. Nd.