“RDJ Mozika” : Inona ny ho “mozikan’ ny taona 2024”?

Tapitra omaly zoma tamin’ny 12 ora ny fifidianana ho an’ny daholobe. Miandry ny hetsika goavana rahampitso, hanatontosana ny “RDJ Mozika 2024” ny rehetra. Araka ny efa nampahafantarana, ny mozika no mifaninana sy hasongadina, ka notsinjaraina ho sokajy 26 izany tamin’ity. Manampy ireo kosa izay ho “Mozikan’ny taona 2024”, notsongaina tamin’ireo hira be mpangataka indrindra sy nandeha be indrindra ihany koa, tao amin’ny RDJ.
Miisa 9 izy ireo no milahatra ao. “Anao tompony” an’i Popcaan, “Colombian” an’i Basta Lion, Tribal Kush ary Kybba. “Mamay” an’i Lima, “Ramalala” LJo, “Sady faly no malahelo” an’i Raouto, “Tadiava vola” an’i Denise sy LJo, “Tsy kinia” an’i Lion Hill, “Veloma maboto”, an’i Arrich ary ny “Zanak’i Dadanay” an’i Agrad.

Hanomboka amin’ny 1 ora ny fandalovan’ireo mpanakanto ny “tapis rouge” ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, ny alahady izao. Handeha mivantana amin’ny TVM kosa ny lanonana iray manontolo, ho an’ireo tsy afaka manatrika any an-toerana.

Zo ny Aina

Partager sur: