Hita faty teo ambony fandriany ireo mpivady sy ny zanany roa vavy, afakomaly tamin’ny 8 ora alina. Maty sempotry ny afon-tsaribao nampiasain’izy ireo tao an-trano izy ireo, raha ny tatitra vonjimaika voaray.
Raim-pianakaviana, 34 taona, sy ny vadiny, 32 taona, miaraka amin’ny zanany roa vavy, 7 sy 4 taona, hita faty teo ambony fandriany, afakomaly, tamin’ny 8 ora alina tetsy amin’ny fokontany Ivolaniray Anosibe. “Talata hariva tamin’ny 7 ora sy sasany izahay no niresaka farany tamin’izy mianakavy ireo”, hoy ny rahavavin’ny maty. Tsy hita nandalo intsony taorian’izay na ireo zaza tokony handeha hianatra na ireo ray aman-dreniny handeha hivarotra. Tsy naharitra fa tonga nijery sy nandalo tany amin’ny trano fonenan’izy mianakavy ireto ny fianakaviany sy ny mpiara-mivarotra aminy, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. Naheno fofona hafahafa raha vao niditra ny tanàna. Novahana tamin’ny lakile hafa ny trano nefa nihidy karetsaka avy any anatiny ka tsy maintsy nopotehana. Hagagana sy hatairana ny nahitana ny faty niampatra teo ambony fandriana. Nitranga lela, efa nibontsina ary efa namoaka fofona tamin’ny fotoana nahitana ny razana tao an-tranony.
Mety ho matin’ny setro-tsaribao nampiasainy nandrahoany sakafo izy mianakavy ireto, raha ny nambaran’ny mpiray monina taminy sy araka ny tatitra vonjimaika avy amin’ny polisy. Mbola nandeha ny fahitalavitra sy ny jiro tao an-trano tamin’io fotoana io. Hita may kila teo ambony afo kosa ny laoka sy ny vary nandrahoan’izy ireo. Mety ho mosavy na fanapoizinana ara-tsakafo kosa ny eritreretin’ny fianakavian’ny maty nahafaty azy ireto. Mbola tsy fantatra ny valin’ny fizahana ny razana tao ao amin’ny CHU JRA Ampefiloha.
Nifindra trano ny alahady
Vao nifindra trano ny alahady talohan’io izy mianakavy ireto. “Ohatrany misy nanakenda sy nitranga lela avokoa ireo zanany roa vavy ireo ny alina voalohany natorian’izy ireo tao amin’io trano io”, hoy hatrany ny rahavavin’ny maty. Nieritreritra ho nisy matoatoa tao an-trano ireo fianakaviana ireo tamin’io andro io. Nilaza fa tsy ahitana izany kosa ny trano rehefa nanontany ny tompon-trano izy ireo. Nolazain’izy ireo fa nilamina kosa ny andro faharoa ary izao niafara tamin’ny fahafatesana izao. Atao any Ambohidrapeto androany ny fandevenana aorian’ny fanaovam-beloma etsy amin’ny FLM Anosibe. Misahana ny fanadihadiana kosa ny eo anivon’ny Brigade Criminelle.
Mino