Hotanterahina ny 26 sy 27 avrily 2025 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay Thaï, ho an’ny taom-pikatrohana 2025. Fifaninanana iraisam-pirenena 6 kosa no hitranga ho an’ity taranja ity, ka hisantarana izany ny “African Championship” izay hatao ny 15 hatramin’ny 17 avrily, any Tripoli Libia.
Hotontosaina manomboka anio ary hitohy rahampitso 9 febroary, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny « match de défi », taranja volley-ball. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny GNVB sy ny ekipa nasionaly voafantina. Lalao hanomanana ny ekipan’ny Zandary, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka aty amin’ny faritra faha-7, izay hatao any Maorisy.
Taorian’izay sivy volana tsy nilalaovana izay, fantatra omaly, fa hilalao any Meksika Monterrey, ilay espaniola vodilaharana, Sergio Ramos. Hitondra ny laharana faha-93 ny tenany. Tsara ny mampahatsiahy fa i Ramos, efa nandalo klioba maro tao Eoropa. Anisan’ny tena nahafantarana azy ny klioba Real Madrid, Espagne, sy ny Paris Saint Germain, France.
Nahazo vaovao tsara ny Manchester City, Anglisy. Azo heverina fa hiatrika ny lalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC)”. Tsiahivina fa hifanandrina amin’ny Real Madrid, Espagne, ry zareo, amin’izany. Marihina fa mbola manala vela amin’ity ekipa espaniola ity ny anglisy.