TARATRY ny KANTO

Namoaka ny « Fihisa » i Damily. Rakikira vaovaon’ity Malagasy mpanakanto anisan’ny mivoy maneran-tany ny tsapiky ity io. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ka efa azo jifaina amin’ireo tambajotra fanjifana mozika maneran-tany izany. Navoakany amin’ny endriny kapila fihaino koa izany. Manohy ny andiam-pampisehoana hataony any ivelany ihany Damily sy ny tariny, no hizara ity vokatra vaovao ity.

21 febroary, “Andro iraisam-pirenena ho an’ ny tenindreny”. Hisy ny hetsika ara-tsiansa hifanin­dran-dalana amin’io. Lohahevitra amin’izany: “Tenin’ ny tany: antoky ny fanabeazana mahomby, fototry ny fandrosoana mateza”. Hotontosaina ao amin’ny Grand amphi EGS-DSP Ankatso, Oniversiten’Antananarivo.

Manana manam-pahaizana, manam-pahalalana maro i Madagasikara. Nahoana no mbola osa amin’ ny fanabeazana? Satria, tsy mitohoka ny olana sy ny vahaolana. Tsy sahaza ny olana ny vahaolana. Tsy vahaolana miainga amin’ny tena zava-misy marina eto Madagasikara no ampiasaina fa vahaolana avy any ivelany. Baiko sy fandaharanasa avy any amin’ny vahiny no tanterahina. Nanjary tsy manaraka ny lamina voajanahary intsony ny Malagasy.

Fiovana lehibe eo amin’ny taranaka malagasy! Hangatahina any aman’olona tsy fantatra ny anaran’ny zanaka hateraka? Hangatahina ao anaty tambajotran-tserasera ny anaran’ny menaky ny aina. Tranga izay midika avy hatrany fa na ny hevitra sy ny zava-ponosin’ ny “anarana” aza tsy fantatry ny Malagasy intsony. Heveriny fa izay mahafinaritra ny sofiny na izay mahafatifaty azy eo am-pamononana no lazaina fa “anarana”!

Partager sur: