Tarika Ruidy’s Manampisoa : Omena lanja ny mozika evanjelika tropikaly

Taona 2015, nanomboka namoron-kira mitaiza fanahy, hifikitra mandrakariva amin’ Andriamanitra i Ruidy Ma­nampisoa. Mira zotra amin’io ny fanomezana fahafinaretana ny saina amam-batana amin’ny alalan’ny kanto. Anisan’ny mampiavaka ny tarika entiny ilay fananana tononkira mora raisina, mahi­tsy amin’ny fampitana ireo hafatra sahaza ny isam-batan’olona sy sokajin-taona rehetra. Mirona kokoa amin’
ny fampiasana ireo gadon-kira mihetsika toy ny Malesa, Zouk Love, Sud’af, Sega, sns ho amin’ny fanabeazam-boho sy fanapariahana ny Filazantsara ny tarika Ruidy’s Manam­pisoa. «…Ny ahafahana mana­mora ny fomba fampitana ireo hafatra voarakitra anatin’ ireo tononkira no antony», hoy izy.
Hivoaka ny sanganasan’ny tarika
Amin’ity taona 2025 ity no hamoaka sy hampahafantatra ireo tsanganasany hatramin’ izay ny tarika Ruidy’s Ma­nampisoa. Anisan’ny efa vita rindran-tsary (clip) ilay vazo «Fahitam-pitia» Tsy ho ela rahateo ny hamoahan’ny tarika ny «album» voalohany «Tsy mandevina talenta». Hira manamafy hatrany ny antom-pisian’ny tarika. Hi­taona ny olombelona tsy ankanavaka hiara-dia mandrakariva amin’ilay Nahary izao tontolo izao. Marihina fa mahafehy ny fiangaliana ny mozika milamina ihany koa ny tarika. Mametraka ho zava-dehibe ny fisokafana malalaka amin’ny fiaraha-miasa ho fanapariahana ny Vaovao Mahafaly rahateo izy ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: