Hisy ny fikaonandoham-pirenen’ny fanabeazana Skoto eto Madagasikara, « Karajia », hotanterahina ny 22 sy 23 mey ho avy izao. Hetsika karakarain’ny Tily eto Madagasikara. Iarahany miasa amin’ny laboratoara akademika sy ny laboratoara fikarohana momba ny fanabeazana… Tanjona ny hiresahana momba ny paikady vaovaon’ny skotisma maneran-tany hisian’ny fampifanarahana tsara kokoa amin’ny sehatra nasionaly sy isam-paritra. Entanina ny skoto na tsia, mpikaroka sy mpikatroka eny amin’ny Anjerimanontolo, mpisehatra amin’ny tontolon’ny fanabeazana, ny tanora, haneho hevitra amin’ny alalan’ny famaliana izao antso ho an’ny famelabelaran-kevitra izao. Lohahevitra efatra no horesahina: filan’ny fiarahamonina ny skotisma, skotisma any ambanivohitra, fitantanana sy fanofanana tomponandraikitra skoto ary ny fanabeazana ivelan’ny rafitra. Hiendrika famintinana atao amin’ny anaran’ny olona iray na vondron’olona mahakasika ireo lohahevitra voalaza ny fandraisana anjara. Alefa elektronika amin’ny rohy https://tally.so/r/3xaZZr ny antontan-taratasy fandraisana anjara, mialoha ny 24 marsa ho avy izao.
Vonjy