Nihena 17,2% ireo entana naondran’i Madagasikara ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023 noho ny fitotongan’ny harinkarena faobe. Nanampy trotraka izany ny fihenan’ny vola azo tamin’ny fanondranana lavanila, jirofo, nikela sy kobalta ary ireo vokatry ny orinasa afakaba. Nidina 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny ho 74% na niakatra 224,9% aza ny vokatra, raha ny fanadihadiana ara-toekaren’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nahitam-pihenana 43,9% sy 47% ny nikela sy kobalta naondrantsika. Nihena 7,2% ny vokatr’ireo orinasa afakaba ka nahatonga ny fihenan’ny fanondranana ho 5,3% na nahitam-piakarana 2% aza ny vidin’entana. Lasibatr’ity fitotonganana ity koa ny jirofo. Nihena 35,5% ny vokatra naondrana rehefa nihena 31% ny vokatra azo nandritra ny taona ka nitarika ny filatsahan’ny vidim-bokatra ho 6,5%. Na izany niakatra 124% ny fanondranana lohamenaka taorin’ny fitomboan’ny fangatahana ho 169,6% na nihena 16,9% aza ny vidiny tamin’ny taon-dasa. Niakatra 26,1% ihany koa ny fanondranana « graphite » nataontsika rehefa nitombo 36,8% ny vokatra raha toa nihena 7,8% ny vidiny. Niakatra 140,2% ny cacao naondran’i Madagasikara nandritra ny taona 2024. Nahatonga izany ny fiakaran’ny vidim-bokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiakaran’ny fanafana ho 9,6%, araka ny fanazavan’ny BFM. Mitotaly 2 838,6 tapitrisa dolara ny vola vahiny ao amin’ny BFM ka ahafahana manafatra entana ao anatin’ny enim-bolana mahery ho amin’ity taona ity.
Henintsoa Hani