Tratran’ny zandary omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina ny fiara mpitatitra nitondra rongony tany ambony fitoeran’entana. Voasakana sy voasava teo Ankadimaimbo, fokontany Ambohibary, kaominina ambanivohitra Analavory, distrikan’i Miarinarivo izy io. Tratra, nandritra izany, ny rongony 15 kilao efa vita tao anaty sakaosy sy ny tompony. Saika hamidy any amin’ny tsenan’i Tsiroanomandidy izy ireto.
Nampiana 30 indray ny polisy monisipaly miasa eny anivon’ny boriborintany tsirairay eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hanampy amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy fanaraha-maso ny fahadiovana ary ny fandaminana amin’ny ankapobeny ny antom-pisian’izy ireo.
Lozam-pifamoivoizana tsotra-materialy no tena matetika mitranga eny an-dalana manerana ny Nosy, raha ny tatitra avy amin’ny CIRGN. Mifandona, mifampikasoka, mihemotra, sy ny maro hafa ny fisehony amin’ny ankapobeny. Tsy dia ilaina loatra ny miantso polisy na zandary hanao “constat” mandritra izany. Misy koa ny lozam-pifamoivoizana namoizana aina sy nandratrana olona.
Trano iray nihotsaka sy nianjera tetsy Ambodifasika Itaosy, omaly, tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. « Nirodana tampoka ilay trano, noho ny orana avy ny alin’io”, hoy ireo olona nanatri-maso. Tsy nisy ny aina nafoy sy naratra nandritra izany fa simba avokoa ny entana rehetra tao amin’ireo trano nianjera.