Valifaty tsy tontosa : Olona telo voasambotry ny zandary

Nosamborin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely ireo telo mianadahy atidoha nikasa hanao fakana an-keriny, ny 6 febroary teo. Zazalahy 4 taona zanak’olona fantatr’ireo olon-dratsy nokasainy hatao takalonaina. Niantso tamin’ny alalan’ny finday, nitaky lelavola 40 tapitrisa Ar tamin’ny renin’io zaza io ireo mpiray tsikombakomba. Nitohy ny fampitahorana fa alain’izy ireo any an-tsekoly ilay zaza raha tsy mandoa ny vola anatin’ny fotoana voatondro ny ray am­an­-drenin’io zaza io. Ankoatr’­ io, nandrahona hitifitra an’ilay renim-pianakaviana koa ireo olon-dratsy ireo. “Doranay ny tranonao raha toa ka tsy manome ny vola”, hoy ireo mpaka an-keriny. Nampandre manam-pahefana ny lasibatra. Niroso tamin’ny fanatrarana ireo mpanao ratsy ny eo anivon’ny zandarimaria. Roa lahy tra-tehaka. Nentina natao famotorana izy ireo ka voamarina tokoa fa tompon’antoka saika haka an-keriny ilay zaza. Nahatrarana ny finday sy puce nampiasaina tamin’ny fikasana haka an-keriny teny amin’izy ireo. Noterena hitoroka ny lehibeny ireto farany. Vehivavy 25 taona no niketrika izao teti-dratsy izao. Nosam­borina izy ary hiaraka nentina eny anatrehan’ny fampanoavana tsy ho ela izy telo mianadahy. Valifaty tsotra izao no anton’izao raharaha izao, araka ny famotoran’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: