Mitotaly 10 000 ireo zana-trondro narotsaka ao amin’ny farihin’Ankadinondry Sakay nandritra ny fambolen-kazo natao tany an-toerana. Nisitraka zana-trondro ihany koa ireo fikambanan’ny mpanjono mba hahafahany mampiroborobo ny fihariany sy hanatsarany ny velo-tenan’ny tsirairay.
Vita ny 93% ny asa fanarenana ny lalam-paritany, RIP71, ampahany voalohany, mampitohy an’Imerintsiatosika (RN1) sy Ambohimiarina. Mirefy 12,95 km ity lalana ity, ka avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR) ny famatsiam-bola nanamboarana ny ampahany voalohany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ankohonana miarina ».
Mampiasa ny teknolojia niomerika « Recycle Now » amin’ny fanivanana fako plastika, ny orinasa STCV. Zava-baovao ity fomba fiasa ity, mety amin’ireo olon-tsotra na orinasa, manana akora plastika efa niasa mampandre ny STCV, ka manatona any avy hatrany izy ireo. Tanora mpandraharaha no mitantana ity orinasa ity.
Misokatra manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma ny « Guichet central d’information et de documentation » (GCID) eny Ambohidahy. Toerana andraisana ny mpisitraka sy ireo liana amin’ny tolo-draharaha avy amin’ny minisitera. Natao hikirakirana antotan-taratasy ao amin’ny minisitera ny maraina, raha natao hizarana izany kosa ny hariva.