Hotontosaina manomboka anio sy rahampitso, ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra “World Cola Pureplay Football League (PFL)”. Efa ao anatin’ny andro faharoan’ny fifanintsanana ny klioba 12 rehetra mifanintsana amin’izao fotoana izao. Maro ny lalao azo heverina ho toy ny famaranana, fa anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus sy ny Cosfa miaramila, izay hotontosaina ao amin’ny Kianja Elgeco Plus By-pass, ny alahady ho avy izao.
Eo ihany koa ny an’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny FC Rouge izay samy hotontosaina ao an-toerana, mandritra io fotoana io, saingy ny ora no tsy mitovy. Amin’io no fotoana ahitana an-dRakool, lohalaharan’ny CFFA Andoharanofotsy.
Tsara ny mampahafantatra fa nihena ho 12 sisa ny mpandray anjaran’ny “World Cola PFL” noho ny fandavan’ireo klioba efatra tsy hanao ny fifanintsanana intsony. Toy ny Zanakala FC, FC Theo, 3FB Toliara, ASA Diana. Araka izany, tsy misy intsony ny kaonferansy roa, fa hatao vondrona tokana avokoa izy 12 ireo ka ny valo voalohany amin’izany no miatrika ny ampahefa-dalana, izay misy lalao mandroso sy miverina. Ary izay tafakatra, dia manao ny manasa-dalana, ahitana fihaonana voalohany sy faharoa ihany koa. Ny famaranana moa, ho ezahina hatao ny volana jona, eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Ampahatsiahivina ihany fa ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra no tompondakan’i Madagasikara farany teo.
Fitia Randria