“Backyard Ultra”: Hanohanana ny zaza malagasy raisin’ny ONG Ketsa an-tanana

Ho avy sy hisy voalohany eto Madagasikara ny “backyard Ultra”. Hetsika ara-panatanjahantena hamondronana ireo atleta samihafa indrindra ny eto an-toerana.

Hotanterahina eny Von­tovorona ny 14,15 ha­tramin’ny 16 febroary ho avy izao ny hetsika ara-panatanjahantena antsoina hoe: “course backyard Ultra”. Andiany voalohany izy ity, karakarain’ny ONG Ketsa, iaraha-miasa amin’ny Yas Madagascar ary ny Radisson. “Hanampiana ireo zaza malagasy beazina sy raisin’ny ONG Ketsa an-tanana ny vola sy ny tombony rehetra azo avy amin’ny hetsika. Toy ny fampisakafoanana ny ankizy sy handoavana ny saram-pianaran’izy ireo sy ny maro hafa”, hoy ireo tomponandraikitra nampahafantatra ny hetsika, tetsy amin’ny Radisson Ambodivona, ny zoma lasa teo.
Fatanjahantena nipoitra tany Amerika ny “backyard Ultra”. Tsy maintsy mahavita course en boucle 6,7 km, vitaina ao anatin’ny ora iray ny mpandray anjara tsirairay avy. Miditra sy miomana amin’ny hazakazaka manaraka indray izy rehefa vita izany. Misy fiaingana foana isaky ny adiny iray. Tsy mijanona ny fifaninanana raha tsy tonga ilay olona farany mahavita ny boucle 6,7km. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo olona te handray anjara amin’ny hetsika any amin’ny tambajotran-tserasera. 80 000 Ariary ny fandraisan’anjara amin’izany. “Manana ny soatoavina manokana ho azy ny tontolon’ny fanatanjahantena, noho izy io fanabeazana feno ho an’ny tanora”, hoy i Njaka Tsirofo, mpikarakara ny hetsika.

Misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitsabo
Efa miara-miasa amin’ny mpitsabo, kiné, sy ny mpitandro filaminana amin’ny fanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ny mpandray anjara sy eo amin’ny fisorohana ny loza tampoka ny tomponandraikitra. Misy ny Clinique mobile eny an-toerana, mandritra ny telo andro, avy amin’ny Yas Madagascar. Hamondronana ireo vondrona mpanao fanatanjahantena maro samihafa indrindra ireo atleta malagasy ity hatao ity

Mino

Partager sur: