Nitondra fanazavana manoloana ireo fifidianana ben’ny Tanàna haverina ny eo anivon’ny Ceni. Nambarany fa misy ny dingana arahana amin’izany.
“Araka ny voalazan’ny fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana: misy 12 ireo kaominina hoe haverina ny fifidianana. Misy amin’ireo kaominina ireo anefa no nampiakatra ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro, momba ny fifidianana ben’ny Tanàna haverina.
Misy koa ireo kaominina voalaza hoe tsy haverina ny fifidianana no mbola nampiakatra ny raharaha eny amin’ny Filankevi-panjakana koa ny mpifaninana. Ny dikan’izany rehetra izany: tsy maintsy andrasana ny fanapahan-kevitra farany avy amin’ny Filankevi-panjakana. Sao misy fiovana ny fifidianana tokony haverina na tsy tokony haverina intsony? Satria ny Filankevi-panjakana no mandidy farany ny amin’izay fitoriana izay.
Didy havoakan’ny governemanta
Andraikitry ny Ceni ny mikarakara fifidianana, rehefa misy didim-panjakana havoakan’ny governemanta miainga amin’ny tolokevitry ny Ceni. Saingy tsy maintsy miandry ny fahataperan’ny famoahan’ny Filankevi-panjakana didy. Na amin’ireo kaominina 12 voalazan’ny fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana hoe haverina aza ny fifidianana, mety misy fanapahan-kevitra hafa avy amin’ny Filankevi-panjakana. Na amin’ ireo kaominina hoe tsy haverina ny fifidianana, araka ny fanapahan’ny fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana, mety misy fanapahan-kevitra hafa havoakan’ny Filankevi-panjakana. Tsy maintsy mandray an’ izay ny Ceni mba hahazoana mandrindra ny zava-drehetra takin’ny famerenana ny fifidianana.
R. Nd.