Famonoan-tena: Renim-pianakaviana hita faty nihantona

Vehivavy 24 taona hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ma­nambolosy, distrikan’i Ma­nanara Avaratra, afakomaly. Nofatoran’io renim-pianakaviana io tamin’ny hazon-tafo ny lamba mahazaka tao aminy. Nahodiny tamin’ny faritry ny tendany izany. Na­nampitra ny ainy io tady nahantony io. Mponina manodidina azy ireo no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa. Niantso ny tomponandraikitra izy ireo taorian’ny fahitana ny loza. Nozahana ilay renim-pianakaviana izay efa tsy nisy aina intsony. Nidina ifotony nitily ny vatana mangatsika ny mpitsabo avy ao anivon’ny CSBII. Tsy nahitana ratra na kely io vehivavy io. Tsy nisy faritra mangana koa izy. Famonoan-tena no anton’ny nitarika ny fahafatesany. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana any an-toerana, tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ity ramatoa ity nanao izao famonoan-tena izao. Ahina ho olana teo anivon’ny tokantrano izany. Misokatra ny famotorana ataon’ny zandary. Marihina, namela kamboty roa io vehivavy hita faty nihantona io. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakany taorian’ny fanatanterahan’ny mpitsabo ny asany. Nahazo vahana ny tranga famonoan-tena vokatry ny adim-piainana sy tsy fahazakana olana tato ho ato.

Tsiferana R.

Partager sur: