Tsy maty ato an-tsaina ary mandrotika fo ny ratra sy ny banga navelan’ireo havantsika lavo ho an’ny Tanindrazana, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha Rajoelina Andry, ny 7 febroary teo. “Hitodika amin’ ny hoavy isika ary hibanjina fampandrosoana. Tsy ho raraka an-tany ny ran’izy ireo, noho ny fitiavan-tanindrazana”, hoy izy.
Nanao fanambarana ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny 7 febroary teo. Mahatsiaro manokana ireo mahery fo, tena niady ho an’ny tanindrazana nanomboka ny 1947, 1972, 1991, 2002, 2009 ny tenany. “Misaotra tamin’ny fandavan-tenanareo sy ny risi-ponareo. Nanoro lalana mahitsy ho aina vaovao ho an’ny taranaka”, hoy izy.
Fanararaotam-pahefana mikendry ny hampanginana azy amin’ny lafiny rehetra ny fitazonana an’i Fernand Cello, araka ny nambaran’ny talen’ny RSF, aty Afrika Atsimon’i Sahara, Sadibou Marong. “Tsy mazava ny antony. Eo koa ny fandrarana ny fitsidihana azy ka takinay rehetra tsy misy hatak’andro ny hamotsorana ity mpanao gazety ity”, hoy izy ireo.
Naneho fiaraha-miory amin’ny vahoakan’i Alemana ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc noho ny fodimandrin’i Horst Köhler. Filoha nitondra an’i Alemana, teo anelanelan’ny taona 2004 – 2010. Notsiahiviny fa naira-niasa akaiky sy nanampy betsaka ny fanjakana malagasy izy io. Efa nitsidika an’i Madagasikara indroa miantoana koa ny tenany.