Fitsimbadihan’ny voka-pifidianana : Naneho ny alahelony Ratsiraka Sophie

Nahitsy ny depiote Ra­tsiraka Sophie, manoloana ny fivadihan’ny voka-pifidianana amin’ny kaominina Mahatsara Vatomandry. Nambarany fa nanao didy jadona amin’ny fametrahana kandida tsy voafidim-bahoaka ny fanjakana. Tsy misy ny demokrasia nefa izany no tokony himasoana, araka ny nambarany. “Very zo ny vahoaka raha efa nandresy 75% ny kandida nofidin’izy ireo. Natao bontolo ny fametrahana kandida iray nahazo 25%. Tena malahelo tanteraka ny tena sady voadona mahita ny vahoaka amin’izao fanatonana anay izao mba hiaro azy ireo”, hoy izy tany an-toerana. Nanteriny fa tsy mamim-bahoaka izany kandida izany nefa miziriziry amin’ ny toerana tsy tokony hisy azy. “Tsy hilamina ny fitantanana kaominina ary tsy hipetraka ny fitoniana…”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa miisa 18 izao ireo nosamborin’ny zandary sy notazonina any an-toerana ary hiakatra fitsarana noho ny fiarovany ny safidiny. Manana zo haneho hevitra izy ireo ary tokony halalaka amin’izany. Sady rariny ny fijoroan’izy ireo, araka ny nambarany hatrany. Notsindriny fa tsy nanimba zavatra na nanakorontana izy ireo fa nitaky ny zony.
Momba ny mpitandro filaminana kosa, nambarany fa tsy azo sakanana ny vahoaka rehefa mijoro amin’ny rariny sy ny hitsiny. “Matoky amin’ny safidiny izy ireo. Miandany sy manohana izao fitondrana izao izahay nefa anaovana bontolo”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: