Hatao eto Madagasikara ny volana aogositra ny fihaonana an-tampony faha-45 an’ ny filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Sadc. Mifanindry an-dalana amin’izay ny fanamarihana ny Herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria, andiany faha-8. Tapaka nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, sy ny solotenan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ary ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), tetsy Ambohidahy, fa hatsangana ny vaomiera samihafa handrindra sy handamina ny asa rehetra. Antenaina fa hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana aty amin’ny faritr’Afrika ny hetsika ka hampivondrona ireo matihanina sy mpampiasa vola ary ireo rafitra mpandraharaha ara-bola. Andrasana koa ny hampiroboroboana sy hitondrana zava-baovao maharitra eo amin’ny sehatry ny indostria ho an’ireo mpikambana ny Sadc. Noho izany, omena lanja mandritra io fotoana io ireo singa samihafa mampiavaka ny firenena malagasy.
Henintsoa H.