Inspecteurs du travail 42 mianadahy no nahavita fianianana tetsy amin’ny Fitsarana tampony, Anosy. Andiany Mahomby izy ireo, niofana nandritra ny 2 taona teny amin’ny Enam Androhibe. Mitazona andraikitra eo amin’ny firenena ny Inspecteurs du Travail izay misehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena. Ho an’ny sosialy, sady mampihatra ny lalàna mifehy ny asa ireto teknisianina ireto no manome ny toromarika ho an’ny orinasa amin’ny fampiharana izany.
Nanao sonia fiaraha-miasa amin’ny fanomezana tohana mitentina 59 924 euros (278 tapitrisa Ar) hividianana fiara hatao cliniques mobiles ho an’ny Centre Médical Le Bon Samaritain, ao Toamasina, ny masoivohon’i Japon eto an-toerana. Voatery mandeha an-tongotra lavitra ny mponina eny ambanivohitra rehefa hamonjy toeram-pitsaboana. Vahaolana ny fisian’ity clinique mobile ity.
Teboka manan-danja maro no nivoitra tamin’ny fivoriana lehibe niarahana tamin’ireo fitaleavana eo amin’ny foibe sy ny isam-paritra amin’ny sehatry ny fahasalamana. Anisan’izany ny fanatsarana ny fitantanana, ireo paikady miainga eny ifotony, ny fizarana andraikitra mazava ary ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka. Nohamafisina koa ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana mahomby hampandroso ny asa rehetra.
Miverina tsikelikely ny oram-baratra mitsitokotoko, amin’ny ankapobeny, ho an’ny faritra rehetra manerana ny Nosy, ato anatin’ny telo andro manaraka, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro.