Lomano – Madagascar Aquatics : Feno ny fandaharam-potoana iraisam-pirenena

Toy ny federasiona rehetra, manana ny fandaharam-potoanany ihany koa ny Federasiona malagasin’ ny lomano. Feno avokoa ny fandaharam-potoana, na ny iraisam-pirenena izany, na ny eto an-toerana. Ho an’ity taona 2025 ity, fifaninanana iraisam-pirenena efatra no efa fantatra fa lasan’ny FMN handraisana anjara. Voalohany amin’izany, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika sokajy Juniors, hatao ny faran’ny volana mar­sa izao, any Egypte. Mana­raka izany, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, ho an’ny dobo filomanosana 50 metatra, hatao any Singapour, ny 18 jolay hatramin’ny 3 aogositra izao. Hisy koa ny “Meeting de Saint Paul” , hotontosaina any La Réunion, ny 7 hatramin’ny 9 novambra ary ny “Meeting International de l’Océan Indien”, hatao ny 19 hatramin’ny 21 desambra any La Réunion ihany. Tsiahivina fa azo lazaina ho namiratra ny Malagasy tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena farany nandraisana anjara ny desambra 2024 lasa teo. Ho an’ny eto an-toerana kosa, efa fantatra ny datin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ka ny 27 febroary izao no hanaovana ny 25 metatra, eny amin’ny Esca Antanimena, raha toa ka any Toamasina kosa no hanatanterahana ny 50 metatra, ny 17 hatramin’ny 20 avrily izao. Mandritra ireo fifaninanana nasionaly roa ireo no hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly hiatrika ny Fifa­ninanana iraisam-pirenena ho avy. Ankoatra izay, hisy ny fifaninanana fitsapana, mandritra ny fiadiana ny tompondaka ho an’ny sokajy Jeunes, hatao ny 26 hatramin’ny 29 aogositra.

Mi.Raz

Partager sur: