Nitsidika ny faritra Atsimo Atsinanana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny herinandro lasa teo. Nijery ny fanavaozana natao tamin’ny CFP Ampanarena (Anosy Arafa) sy ny LTP Farafangana ny delegasiona. Nisy ny dinidinika hanatsarana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa niarahana tamin’ny DRETFP Atsimo Atsinanana. Tao anatin’izany no nizarana mari-piofanana ho an’ny mpianatra 454. Namangy ny fikambanana Semafa manohana ireo olona varira sy manana fahasembanana ara-pahitana koa izy ka nanolotra fanampiana sy niresaka momba ny fiofanan’ireo olona ireo. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny minisitera ny fanomezan-danja ny fanabeazana ary ny fiofanana mampiaty.
Nitohy tamin’ny fampahafantarana ny Fijery hafa ny lanonana. Nambarany fa tanjon’ny minisitera ny mamantatra ny fampiofanana tian’ny tanora harahina hanampiana azy ireo hamorona asa avy hatrany sy hanitatra ny fahaiza-manaony.
Nifarana tamin’ny fihaonana tamin’ny mpitondra “cyclo-pousse” ny fitsidihana ka nisy fifanakalozana mahakasika ny fanohanana ny asany sy ny fiofanana ho azy ireo.
Ankoatra izay, nihaona tamin’ireo Ampanjaka koa ny delegasiona. Satria, zava-dehibe ny mifandinika sy manome voninahitra ny raiamandreny ara-drazana eo an-tanàna rehefa midina ifotony toy izao. Manana ny tantarany sy ny maha izy azy rahateo ny tananàn’i Farafangana. Nanentana azy ireo ihany koa ny minisitra hiditra bebekokoa amin’ny fampandrosoana sy ny fanosehana ny tanora, indrindra ny vehivavy handray fiofanana.
Vonjy