Nizara ny hafaliany tamin’ny vahoaka malagasy, omaly, ny fianakavian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nasongadiny ny fahavitan’ny zanany lahimatoa ny fianarany.
Nahavita ny fianarany omaly, Rajoelina Razakandisa Arena, zanaka lahimatoan’ny filohan’ny Repoblika malagasy. Nahazo ny mari-pahaizana manokana momba ny fitantanana hotely, tao amin’ny Oniversite EHL Lausanne izy. Efa-taona no faharetan’ny fianarana nataony. Hiditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany ny tenany. 242 ny mpiray andiany, nahazo ny mari-pahaizana, omaly. Izy irery ny Malagasy tamin’izany.
Naneho ny hafaliany sy nizara izany tamin’ny mpiray tanindrazana ny filoham-pirenana Rajoelina Andry mivady. “Toy ny vao omaly no nampinarako anao namindra. Ankehitriny, noho ny fikirizana, ny filofosana tamin’ny fianarana dia tafita, tonga amin’ny tanjona nirinao ianao”, hoy ny filoham-pirenena.
Marihina fa ity oniversite an’ny Lausanne, Suisse ity dia anisan’ny toeram-pampianarana sangany manerana an’izao tontolo izao. Mitana ny laharana voalohany izy amin’ny fampianarana ny fitantanana hotely, araka ny fandaharan’ny QS World University Rankings. Manana ny maha izy azy ary miavaka amin’ny fampianarana sy ny fampiharana avy hatrany.
Manomana mpitarika matihanina ny oniversite. Efa miparitaka any amin’ny firenena 150 ny mpiofana sangany, nivoaka tao aminy. Tanora manana ny maha izy azy, afaka misehatra amin’ny fitantanana hotely sy ny fitantanam-bola ary ny fitantanana orinasa ireo vao nahavita fiofanana ireo.
r.r